Aza miala ianao RAVALOMANANA!!!

Nampidirin'i malalanao | 15 Mar, 2009

Voalohany dia miarahaba anao mpamaky.

Iriko koa ny mba handrenesan-dRavalomanana ity soratako ity. Koa dia miarahaba azy am-panajana.

Ny tiana tenenina dia fankaherezana. Nofidinay vahoaka ianao, ary tsy noterena izahay fa an-tsitrapo izany. Noho izany dia adidinao ny mijanona eo mandra-pialanao amin'ny fifidianana. Ary adidinay koa ny hiaro anao.

Ny fametrahanao fialàna (izay andrasan'ny sasany) dia midika fa avelanao ho eo ampelantanan'ny mpandroba i Madagasikara. Koa fadio izany. Izahay rahateo manohana anao hatrany, eny hatramin'ny fara-fofonainay ary hanaiky atao manda ho fiarovana anao.

Ho anao mpamaky hafa, izay mety ho gaga amin'izany fanohananay ny filoha izany. Tiako aminao ny hanazava ny fijery manetsika anay :

Voalohany dia mahatsapa tena ho diso aho sy ireo namako ato an-trano, raha hamela ireo mpandroba hitondra an'i Madagasikara. Ny ho avin'i Madagasikara anefa no resahina ankehitriny.

Faharoa, raha mankeny iavoloha izahay, dia tsy mba ny handroba no hataonay fa hiaro miaraka amin'ny tanam-polo. Toromarika nomen'ny Filoha anay omaly hariva ny tsy hanaovana herisetra, fa ny hijoroanay fotsiny : mba ho hitan'izao tontolo izao fa tsy mpamono olona velively ny tenany, fa niaro tena hatrany fotsiny.

Farany dia manao veloma anao mpamaky.

Veloma sy mandria fahalemana daholo ianareo : dia ianareo vahoaka nangina, nandatsa-bato ho an'ny Filoha fa tsy niaro azy hatramin'ny farany. Izahay moa dia tsy hilamin-tsaina raha hanao toa anareo.

Veloma satria mety ho ity no soniako farany, ahafantaranareo fa nisy i Nivo, vehivavy mpanano-tena mipetraka ety Ampasapito, izay maty noho ny fiarovany ny safidiny, sy ny safidin'ny Malagasy (na ireo nahatsiaro tena hihetsika, na ianareo nangina). Na tsy hosoratana mivantanao ao anatin'ny bokin'ny tantara aza ny anarako, dia mety hsoratana kosa fa "nisy ireo nahavita namoy ny ainy mba hiarovany ny Filoha."

Mivavaha ho anay.

Andriamanitra anie hiaro ny Filoha.

Mamiko i Madagasikara, ary tiako mba handroso.

Ary afoiko daholo ireo ahy rehetra noho izy (madagasikara). Afoiko izao fiainana mandalo izao, afoiko ny vola izay tsy ananako firy, ny fianakaviana sy namana, afoiko ny fotoana laniko tamin'ny fianarako, afoiko izay mety ho "ho aviko".

Eny afoiko, satria aleoko maty ho vavolombelona toy izay matin'aretina na koa matim-pahanterana toy ny valala be mandry. 


Raha sitrak'Andriamanitra kosa anefa ny hampandresy ny rariny dia mandrapihaona ihany no ataoko.

Ampio izahay satria ny fahamaroantsika no antoky ny fandresena.