Maninona Ravalomanana no mitsoaka?

Nampidirin'i malalanao | 24 Apr, 2009
Malahelo tokoa ny tenako amin'izao zava-mitranga eto madagasikara izao. Betsaka ny herisetra, lafo ny vidin-javatra, tsy misy mandeha amin'ny laoniny ny fiainana fa fampitahorana lava. Analakely sy Ambohijatovo avy moa ka tsy azo aleha intsony hono.

Betsaka ny zavatra tiako lazaina aminareo izay tsy manatry maso ny manjo anay, ary tsy ho voasoratr mihitsy.
Ka ireto video sy sary maneho izany :

vidéo : http://www.youtube.com/watch?v=tyQX9t4ptKc

sarin'olona novonoina an-dalambe, fa tsy mba amina zone rouge akory :
- http://moe.mabul.org/up/moe/2009/04/24/img-125128vjy2f.jpg
- http://moe.mabul.org/up/moe/2009/04/24/img-12580551ltp.jpg
- http://moe.mabul.org/up/moe/2009/04/24/img-125910p3oyj.jpg

Manarak'izany dia mba te hanazava ny fijeriko koa aho momba ny fijerin'ireo mpanohana an'i andry. Rehefa miady hevitra amin-dry zareo ireo dia averiny foana ny hoe : i Andry dia tsy mba mitsoaka toa an-dravalomanana, sy ny hoe : raha tia tanindrazana i Ravalomanana dia maninona no mitsaoka ?

Ny valiny dia izao : azon'i Ravalomanana natao mihitsy ny nijanona tao Iavoloha tamin'iny fotoana iny. Ny alina farany talohan'ny nandehanan-dRavalomanana iny anefa dia tsaroantsika fa efa tonga matanjaka tao Ambohitsirohotra ny capsat miaraka amin'ny fitaovam-piadiana mahery. fanampin'izany dia efa nanao tifi-tafondro manodidididina an'Iavoloha ry zareo ho fampitahorana. Koa iza aminareo no sahy hilaza fa tsy ho sahin'izy ireo ny hanafika an-dRavalomanana sy izahay olona amanarivony tsy manana afa-tsy tanam-polo ?

Ekeko fa Ravalomanana dia efa niteny tokoa fa sahy hiara-maty amin'ny vahoaka tao iavoloha : ary vitsy ny mpitondra mahavita maneho fitiavan-tanindrazana toy izany. Noho ny fahitany anay ho maro dia maro sy tena vonona hiaraka aminy anefa dia notsoriny taminay tamin'ny fotoana farany fa ilaina ny fanetren-tena mba tsy hahatonga faty olona aman'arivorivony, ilaina ny mametraka ny ambom-po mba tsy hahasimba ny firenena. Dia iny famindram-pahefana iny no fanapahakeviny, ary dia iny izy lasa iny.

Noho ireo dia fanapahan-kevitra hendry tokoa ny namindrany fahefana sy ny fialany tsy ho ao Iavoloha. Raha ambom-po no narahiny dia efa ho aman'arivony ny maty toy izay, maty noho ny herisetran'ny miaramila mpioko sy tsy misy indra fo.

i Andry kosa ... mba hainy ve izany atao hoe ain'olona izany ? Na dia mpaka sary fotsiny aza dia asainy sakanan'ny capsat, ary tsy henatra ho azy ny vono olona an-dalam-be : nefa tsy olona hananika ny lapany any ambohitsirohotra na Iavoloha akory.

Anao ny mieritreritra.