Bois de Rose 6 containers - Tratra ny tompon'andraikitra.

Nampidirin'i malalanao | 11 Jol, 2011

Betsaka ihany izay fahatratrarana fanondranana bois de rose izay, fa hatramin'izao dia tsy fantatra ny anaran'izay tena mpanao azy.

Tamin'ity indray mitoraka ity kosa, tamin'ny alakamisy 7 jolay teo, dia fantatra ny tomponan'draikitra tamin'ny fanondranana bois de rose tanaty container miisa 6 izay sarona tany Maorisy. Tsy hay nafenina satria ny tompon'andraikitra Maorisoanina tany Maorisy no nahatratra azy.

Tsy iza no atidoha miketrika izany fa ny mpikambana iray (na vitsivitsy) ao amin'ny CT na "congrès de la Transition". hatreto anefa dia tsy mbola nampahafantarina ny anaran'izy io. Satria ve efa ny fanjakana Malagasy no mitantana ny raharaha fa tsy ny maorisoanina intsony? Sa tsy olon'ny mpitondra teo aloha ka aleo tsy tenenina ny anarany? Ny adalan'ny olona manko hono gadraina, fa ny an'ny tena tsy tononina anarana ?

Raha te hahalala bebe kokoa ianao dia vakio ato ny fitantaran'i Jeannot Ramambazafy azy ao amin'ny http://www.madagate.com/... na koa vakio ity gazety lexpress ity.

Ny piraiminisitra moa, vao naheno io vaovao io, dia nidina haingana dia haingana tany Vohémar. Inona no tena antony :

- Mba handamin-draharaha ve? Tsy ampy angaha sa atahorana hanao ny asany ny mpanao lalàna?

- sa kosa ... Mba ho fidedahana eo anatrehan'ny vahoaka malagasy fa hoe : ny piraiminisitra mihitsy no nahatratra fanondranana an-tsokosoko.

Ny mahagaga anefa dia : ny entana ahondrana foana no tratra fa tsy ny mpanondrana.

Enga anie kosa mba tsy ho ny piraiminisitra Camille Vital no hiteny amin'ilay olo-meloka hoe : "avotako lesy ialahy satria mpanohana mavitrika ny fitondrako a! Raha migadra ialahy dia izaho no afa-baraka. Fa amin'ny manaraka : aza atao mibaribary loatra".

Antsika no maminavina

 


Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article